Fizahantany : mpianatra 14 nitsidika an’i Nosy Be

Nanolotra fitsangantsanganana ho an’ny mpianatra 14 avy amina Lycée avy ao Nosy Be ny minisiteran’ny Fizahantany, ho fampiroboroboana ity sehatra ity. Araka izany, nahita ireo karazana kolontsaina samihafa sy na­ha­fatantatra ny tantaran’ny Nosy ireo tanora. Mbola na­hita ireo karazana zava-mananaina avy amin’ny faritra koa izy ireo fa indrindra ny tao Antitôrogno, Nosy Komba ary Marodoka. Tao anatin’ny roa andro, izany hoe, ny zoma sy sabotsy teo, nahafantatra ny tontolon’ny fizahantany ireto tanora 14 ireto. Voalaza ao anatin’izany ny momba ny trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoana, tari-dalana (guidage) fi­ka­rakarana fitsangantsanganana, lafiny sakafo ary hetsika isan-karazany. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany ny hampiseho amin’ny tanora fa isan-karazany ny asa amin’ny fizahantany ary ha­hafahana hanao asa lehibe izany.

Henintsoa H.

Partager sur: