Asan-jiolahy sa resaka politika ? Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nisy namaky, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ny foiben’ny FFKM, eny Anjohy. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny polisy izy ireo, amin’izao fotoana izao.
“Very tamin’izany ny ordinatera sy seza ary radio miaraka amin’ny kojakoja samihafa. Tsy mitombina kosa anefa ny filazana fa voaroba ny antontan-kevitra rehetra tao anatin’ny solosaina”, hoy ny loharanom-baovao. Nanteriny fa efa voatahiry amin’ny fitaovana manokana avokoa ireo dosie manokana sy saropady ho an’ny fiangonana efa-tonta ka tsy misy ahina. Efa tafapetraka eny amin’ny polisy eny an-toerana ny fitoriana ary efa mandeha ny fanadihadiana momba izao raharaha izao, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa ao anatin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Mifandraika amin’izany ve izao fandrobana izao ? Na izany aza, mirongatra tanteraka koa anefa ny famakiana fiangonana tato ho ato. Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Majifa ireo fitaovana na kojakoja amin’ireo lalovan’ny jiolahy.
Fakan-kevitra eny ifotony
Etsy andaniny, hanomboka ny zaikam-paritra eo anivon’ny FFKM, mialoha ny fihaonambem-pirenena. Miisa enina ireo faritra efa nanolotra ny tetiandro hanatanterahana izany. Hanomboka eo anelanelan’ny 30 mey hatramin’ny 30 jona ny dinika ho an’ireo efa namaritra ny daty. Haharitra telo andro avokoa izany. “Handinihana ny raharaha anatin’ny FFKM ny andro roa voalohany raha hanangonana ny hevitry ny olom-pirenena sy ny fiarahamonina sivily ary ny antoko politika eny ifotony ny andro fahatelo”, hoy ihany izy. Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra ireo mpizaika amin’izany fa tompon’ny teny farany sy mamoaka ny fehinkevitra ny fihaonambem-pirenena, ny volana aogositra.
Synèse R.