Fanazavan’ny Ceni sy ny minisiteran’ny Atitany : “Tsy voamarina ny fisian’ny fokontany matoatoa…”

Niteraka resabe tato ho ato ny momba ireo famoronana fokontany. Tsy misy akory ny resaka lisitra fanampiny, any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ireo zanaky ny faritanin’i  To­liara ny herinandro teo fa tsy mitombina velively ny fila­zan’ireo mpanao politika sasany fa  faritra fanaovana  hala-bato ny any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny famoronana fokontany “Ma­toa­toa” mi­isa 1 000. « Fana­ra­tsiana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’ireo mpifidy izany. Tsy mbola misy manana porofo marina na ny zanaky ny faritra na ireo any amin’ny faritra hafa amin’ity resaka hala-bato ity”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny solontenan’ny mponina fa tsy tokony hatao ho fitaovana politika ny any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ny avy amin’ny Ceni fa tsy mitombina izany lisitra fa­nampiny any Toliary II izany. 41 ireo fo­kontany na­naovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary mizotra tsara ny asa, araka ny nambarany. Nampahafan­tarina koa ny porofo rehetra amin’ny tsy mampitombina izany lisitra fanampiny sy fokontany “Matoatoa” izany.
Manoloana izany, niantso ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenenena sy ny mpanao politika ary ny olom-pirenena ny Ceni, hanana fahasahiana handray andraikitra raha miseho ny tsy fahatomombanana na koa ireo manana ahiahy amin’izao fanomanana ny fifidianana izao. « Vonona izahay ny hihaino sy hamaha  olana raha toa ka misy izany”, hoy ny filoha lefitra fahatelo eo anivon’ny Ceni, Rabary Laza, tany an-toerana.

Noraisina ny fepetra

Etsy andaniny, nanambara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, amin’ny alalan-dRaza­fi­mamonjy Laza, fa tsy main­tsy mahazo fankatoavana  avy amin’ny minisitera ny fananganana fokontany vaovao. “Maro ireo fepetra takina vao afaka manao izany. Efa noraisina ny fepetra mom­ba ity raharaha ity ary efa nampanantsoina ireo mpanao politika, nametraka ahiahy momba izany”, hoy izy. Ni­antso fitoniana ho an’ny rehetra ireo tomponandraikitra isan-tokony.
Ankoatra izany, ahina ny tsy hifidy ireo mpifidy maherin’ny 300 ao anatin’ny fo­kon­tany  Lovokampy, Toliara II, raha toa ka latsaka ny orana ao antin’ny fotoana hanatanterahana ny  fififdiana. Voatery mi­ampita ranomasina ireo mponina ka nangataka ny hametrahana birao fandatsaham-bato mi­isa roa, hialana amin’izany olana izany.

Synèse R.

Partager sur: