“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Tsy sakanana avokoa ny mpanao politika, fa samy manana ny vinany sy ny fijeriny hampandrosoana an’i Madagasikara. Nefa izy ireo no tsy maintsy mirotsaka, raha tsy mazava ny fomba sy ny fitsipi-dalao amin’ny fanaovana politika. Tsy hitovy ny olona manama fahefana sy manan-katao hifaninana amin’ny olona manana fehinkevitra hampandroso an’i Madagasikara.
Manana tombondahiny ny mpitondra amin’izao: manana fitaovana, fahefana, nahavita fotodrafitrasa… Hahazoany mitrandraka sy mampiroborobo ny politikany eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy hanomezan-tsiny ny tsy manana fahefana izay. Nefa rariny raha mitaky ny hoe tokony hisy ny fifampiresahana ry zareo. Amin’izay, afa-tsiny ny mpitondra.
Tsy maika ny fifidianana filohan’ny Repoblika
Tsy maika ny fifidianana filohan’ny Repoblika, na voafetran’ny lalàna aza hoe dimy taona ny fe-potoam-piasany. Tokony haroso ny fifidianana ben’ny Tanàna, izay tapitra fe-potoam-piasana mialoha ny filohan’ny Repoblika. Tsy maninona na amin’ny taona ho avy aza ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Inona no olana raha misy fiaraha-mitantana handaminana ny fifidianana?
“Izay no anaovako antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika hoe: aza fitahin’ireo olona manodidina anao ireo ianao, fa tsy ireo no nifanaraka tamin’ny vahoaka malagasy. Izy filohan’ny Repoblika no tokony hanapa-kevitra hoe hanao fifampidinihana”, hoy izy. Misy zavatra tokony halamina ao. Satria misy krizy ao anatin’izay raharaha politika izay.
R. Nd.