Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”

“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny fahapotehan’ny lalana, ny fibodoana tanin’olona sy ny fitotonganan’ny fihariana, toy ny sehatry ny lavanila. “Tsy mendrika ny vahoaka izao. Miaina anaty fanjakan’i Baroa isika… Ma­nàna finoana fa ho vitantsika ny hanangana firenena vanona”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa teo amin’ny fitondrana ny tenany ary ananany ny fahaiza-manao sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola.
Etsy andaniny, niantso ny Ceni ny tenany hijery ny lesoka sy kitoatoa amin’ny lisi-pifidianana. Mazava kosa ny nambarany fa tsy hanaiky ny teti-dratsy amin’izao fifidianana izao . “Tsy handefitra amin’ny tsy marina sy ny tsy ara-dalàna isika. Hafa ny tamin’ny taona 2018. Nanaiky aho na nandresy aza noho ny fanajana ny Andrimpanja­kana sy ny fifandimbiasam-pitondrana. Porofo ireny fa tsy maika haka ny toerana maha filoha isika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: