Nijery ifotony ny fahapotehan’ny lalana eo Ankirihiry mankany amin’ny prefktiora Morarano Toamasina, ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, ny depiote Naharimamy Irmah sy ny governora Atsinanana, Rafidison Richard. Nilaza Rtoa depiote, fa hanomboka amin’ny tapaky ny jona ho avy izao ny fanamboarana ity lalana ity. Vola mitentina 250 tapitrisa Ar avy amin’ny CLD no hanaovana azy manaraka ny antso tolobidin’ny tsenam-panjakana.
Efa natao tamin’ny taona 2017 ity lalana ity, izao potika sahady izao. Niandraikitra ny antso tolobidy hanao ny godirao ny orinasa Ambatovy, namatsy vola 1,6 miliara Ar. Nahatratra 80 tapitrisa Ar kosa ny vola avy amin’ny CLD, nanaovana ny tatatra sy ny fantson-drano. Efa maro ny loza nitranga teo amin’ity lalana simba ity.
Sajo sy Nj.A.