Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro ity ny herinandro natokana ho an’ny paramédicaux manerana ny Nosy ary hofaranana amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny infirmier any Ambatondrazaka, ny alakamisy ho avy izao», hoy ny filohan’ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM), Rahovalahy Zazou, omaly.
Mandritra ity herinandro ity, samy manana ny fomba entiny hanamarihana ny hetsika ny isam-paritra fa mampiavaka azy hatrany ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manatona vahoaka, hanampiana ireo marefo. Tafiditra amin’izany ny forazaza faobe fanao isan-taona, fizahana fahasalamana hitiliana tosidra avo sy ny diabeta.
Mampihodina ny ampahany goavana amin’ny asam-pitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny paramédicaux. Matetika, izy irery no misahana ny CSB I eny amin’ ny faritra saro-dalana (Kandreho, Befotaka Atsimo…). Tsy mampihemotra azy ireo ny tsy fandriampahalemana. Mavesatra ny asa rehefa tsy misy olona manampy nefa manana ny fahasahiana sy ny fitiavana ny asany ny paramédicaux, hoy ity tomponandraikitra ity.
Any amin’ny distrika sasany, efatra ny mpitsabo mikarakara ny fahasalamam-bahoaka fa paramédicaux avokoa ny sisa. Mahatratra 8 000 eo ho eo ny paramédicaux misehatra amin’ny fanjakana.
Vonjy A.