Pr Manantsoa Victor : Tompon’antoka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy

«Tsy mandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy ny Malagasy iray manontolo no miara-mandray anjara amin’ny fampandrosoana», hoy ny minisitra teo aloha, Pr Ma­nantsoa Victor, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Tokony hanana politika sy paikady hampandraisan’andraikitra ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Miain­ga amin’ny alalan’ny fifidianana sy fandraisana anjara amin’ny raharaha maro eto amin’ny firenena izany. Voa­kasik’izany ny fahafahan’ny mponina mitrandraka ireo harena ankibon’ny tany manerana ny Nosy.
Ankoatra izay, tokony hi­roso amin’ny fikaonandoha ihany koa ny fanjakana. Handraisan’ny tantsaha, so­lontenam-panjakana sy olom-boafidy isaky ny kaominina, ny raiamandreny eto amin’ny firenena (ara-drazana, ara-pivavahana) anjara. Mba hiarahana mikaroka hevitra hampandrosoana ny firenena.

14 tapitrisa ny vahoaka tokony hifidy
«Tokony hifidy avokoa ireo mponina manodidina ny 14 tapitrisa eto amin’ny Nosy raha tiana ho demokratika marina ny firenena”, hoy izy. Nilaza izy fa tsy ampy ny 10 tapitrisa, isa navoakan’ny minisitry ny Atitany sy ny Ceni, hisitraka ny karapanondro sy kara-pifidianana. Nam­barany fa lesoka lehibe na­taon’ireo tomponandraikitra ireo izany.
Mila diovina ny lisi-pifidianana ary omena karapanondro “biométrique” avokoa ireo 14 tapitrisa ireo, mba hialana amin’ny hosoka sy ny “doublon”. Ovaina ihany koa ny lalam-panorenana eto amintsika mba hifanaraka amin’ny toe-tsaina sy tombontsoan’ny vahoaka malagasy, raha ny fanazavany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: