Notanterahina, teny amin’ny kianja Ambohimamory Itaosy, ny alahady lasa teo, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny Atsimondrano Champions League (ACL 2023), taranja baolina kitra. Nakotroka ny hetsika, nahatratra 2300 ireo mpilalao niatrika ny fotoam-panokafana. Tsiahivina fa hiady izay ho lohany amin’ity ireo ekipa 78, avy amin’ny kaominina 26 mandrafitra an’Atsimondrano.
Nanome voninahitra ny lanonana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard, Nanambara ity farany fa manome sehatra goavana ny fanatanjahantena ny filoham-pirenena. Porofon’izany, ny fananganana ireny kianja manara-penitra sy kianja mitafo manerana ny faritra maro eto Madagasikara ireny. Ezaka mila tohanana satria mahavory tanora maro amin’ny fanaovana fanatanjahantena ary fitaovana iray hiadiana amin’ny fidonanam-poana sy ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina. Notsiahiviny fa hotanterahina amin’ny kianja misy bozaka artifisialy ny famaranana ity ACL 2023, ity. Hahazo volabe izay ekipa ho tompondaka eo. Marihina fa vy nahitana sy angady nananana ity Atsimondrano Champions League ity, ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny. Hanomboka ny asabotsy, 13 mey ho avy izao ny andro voalohany ary tsy hifarana raha tsy ny 16 jolay. Mampiavaka ity fifaninanana ity, ny fiofanana omena ireo mpanazatra ny klioba rehetra mandray anjara.
Torcelin