Fahombiazana ny azon’ny mpikarakaran’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et Salon des arts martiaux), andiany faha-3, notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro. Afa-po avokoa ny mpandray anjara rehetra ary afaka nahalala zavatra maro ireo mpitsidika. Dojo miisa 12 avy amin’ny taranja maro samihafa ny nampiranty sy nampahafantatra ny momba azy ireo. Marihina fa nisy ny fisafidianana izay Dojo mendrika indrindra ka hahazo loka. Torak’izany koa teo amin’ny Sports extrêmes, nisy ny fifaninanana teo amin’ny taranja Trial, Parkour ary Skate. Ny faha-13 mey izao no ho fantatra ny valin’ireo fisafidianana sy fifaninanana ireo, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Ankoatran’ny fanaovana fampisehoana niarahan’ireo dojo, nisy ny zumba namaranana ny hetsika, omaly alahady. Mbola hitohy ny hetsika ary vonona hanome ny tsara kokoa ny mpikarakara. Tsy nanadino nisaotra ireo nanohana sy niara-niombon’antoka, Ratsimiseta Tsiry, mpikarakara.
Mi.Raz