« Volana iray, mpanoratra iray » : hampahafantarina ny sanganasan’i Perle Rasoloarijao

Maro tsy tambo hisaina raha ireo mpanoratra, poeta, mpankafy ny literatiora ma­lagasy. Misy ireo efa fanta-daza, tamin’ny vanim-potoana taloha na ireo ankehitriny. Betsaka toy izany koa anefa ireo takontakona any, miaraka amin’ny sanganasany. Sehatra natao hampahafantarana ireo rehetra ireo, na ny mpanoratra na ny sanganasany ny tetikasa “Vola­na iray, mpanoratra iray”.
Voafidy hampahafantarina amin’ity volana ity Ra­soloarijao Raminoarivelo Perle Evangeline, na i Perle Rasoloarijao. Manoratra amin’ny teny malagasy sy teny frantsay izy, ary efa namoaka boky toa ny “Points de résistance”, ‘Plein-Son­ge” sy “De Braises et de Cen­dres”, izay samy amboaran-tononkalo. Teo koa ny «Pour une vision chrétienne du système libéral», «Proposition de Charte pour la reconstruction de la Nation malgache, par le biais du leader­ship chrétien» izay samy boky famakafakan-kevitra. Nisy koa anefa ny boky navoakany, izay niainga tamina tantaram-piainana, “Continuer le bon combat”. Eo an-dalam-pamarana ny sanganasany vaovao, “Un jour, une vie”, izay tantara fijoroana vavolombelona, kosa ity mpanoratra ity amin’ izao fotoana izao.
Ankoatra ny maha mpanoratra sy mpampianatra, mpamoron-kira ihany koa i Perle Rasoloarijao. Tsy vitan’ izay fa mpanentana fandaharana amin’ny haino aman-jery, toy ny «Tiako ny fireneko» tao amin’ny Radio Fahazavana, sy fandaharana manokana momba ny finoana tao amin’ny MaTv sy Aceem Radio izy. Efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena koa anefa, raha tsy hilaza afa-tsy ny naha lefitry ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo azy, ny taona 2008-2009.
Toy ny mahazatra anatin’ ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», misy ny fampahafantarana ny mombamomba ny mpanoratra sy ny sanganasany ao anatin’ ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Eo ihany koa ireo fandaharana amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ankoatra ny fihaonana mivantana amin’ny mpanoratra, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Zo ny Aina

Partager sur: