« Prize money » Chan 2022 : niakatra ho 300 000 dolara ny anjaran’ny Barea

Araka ny toromarika nomen’ny filoha Rajoelina Andry, nakarina ho 60 % ny vola na “Prize money” homena ny mpilalaon’ny Barea sy ny Staff. Tapaka izany taorian’ny fivoriana niarahan’ny rehetra, omaly.

Lelabola 300 000 dolara na 1 320 000 000 Ar eo ho eo, izay 60 % an’ilay 500 000 dolara na 2 200 000 000 Ar no tambin-karama hatolotra ho an’ny mpilalao sy ny Staff Barea, izay nanao ny fifaninanana “Chan Algérie 2022”. Araka ny vaovao navoakan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo, nisy ny fifampiresahana teo amin’ny FMF sy ny mpilalao ary ny Staff Barea.

Marihina fa natao teo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora izany dinika mahakasika ny fitsinjarana ny vola izany, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Tapaka, araka izany, fa ny FMF no manapaka izay hanaovana ny vola 40 % sisa, izay mitentina 200 000 dolara na 880 000 000 Ar eo ho eo. Nanaiky io fa­nampahan-kevitra io avokoa ny rehetra. Nohamafisin’ny FMF fa, natao ho fitsinjovana ny Barea Chan izany satria izy ireo no angady nanana sy vy nahitana ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsiahivina fa, mitovy tamin’ny fitsinjarana ny volan’ny Barea nanao “Can 2019”, araka izany, ny “Prize money” tamin’ny “Chan 2022”. Tsara ny mampahafantatra fa nahazo 60 % ny “Prize money” ireo “Barea Can” nifaninana tany Egypta, raha toa ka 40 % ny an’ny FMF.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: