Rugby – «Women’s cup 2023» : hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya

10 andro mialohan’ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, anio. “Wo­men’s Cup 2023” ho an’ny Diviziona 1. Fihaonana hampiantranoan’i Madagasikara, ny 20 hatramin’ny 28 mey ho avy izao. Firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia i Madagasikara, i Cameroun, i Afrika Atsimo ary i Kenya.
Araka ny fandaharan-da­lao navoakan’ny Rugby Afri­que, hidona voalohany amin’ny Makis ry zareo Kenianina.
Tsy vaovao amin’ny tovovavy malagasy ny Simbas kenianina satria efa nifandona taminy nandritra ny “Can 2020” ary resin’ny Makis tao an-kianjany ry zareo tamin’izany. Ny Liona tsy voafolak’i Cameroun indray no mpifanandrina faharoa ho an’ny Malagasy ary hamarana ny fifanintsanana ny Springboks. Tsy mbola nifandona tamin’ny Makis, teo amin’ny rugby ho an’olona 15 ny Springboks fa sambany ity. Hifandimby hihaona ny ekipa efatra ka ho tompondakan’i Afrika izay manana isa be indrindra.
Tsiahivina fa hanana ny lanjany roa lehibe ity fihaonana ity. Hiatrika ny lalao famaranana amin’ny “World Rug­by Women’s XV”, Diviziona voalohany, izay voalohany eo. Fihaonana hatao ny volana oktobra saingy tsy mbola fantatra ny firenena handray izany.
Hiatrika avy hatrany ny “World Rugby Women’s XV”, ho an’ny Diviziona faharoa ny tompondaka lefitra. Fifanina­na­na vaovao, karakarain’ny federasiona iraisam-pirenena (World Rugby).

Tompondaka

Partager sur: