Fibatana fonjamby-Afrika : iray ihany ny atleta malagasy

Hanainga, anio, ho any Tonizia ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, hatao ny 12 hatramin’ny 19 mey izao. Atle­ta iray ihany no afaka mandray anjara noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina, omaly. Efa ela, hoy izy, ny voarain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny antontan-taratasy saingy tsy mbola nisy valiny hatramin’izao. “Izahay anefa tsy maintsy mandray anjara satria efa nahavita fisoratana anarana ka mety ho voasazy raha tsy tonga any Tonizia”, hoy ny nambaran’ity filoha ity. Nohamafisiny ihany koa fa mbola miatrika fiofanana any Chine avokoa ireo atleta rehetra tokony hifaninana. “Tsy ho anisan’ny handray anjara amin’ny lalao olympika 2024, hatao any Paris, taranja fibatana fonjamby, izay taranja tena mamiratra, noho izao zava-misy izao”, hoy hatrany ny fanazavany. Tsiahivina, Mahefa, sokajy latsaky ny 61 kg, ihany izany no hiaro ny voninahi-pirenena any Tonizia, hiaraka amin’ny filohan’ny federasiona, hiatrika ny fivoriambe.

Mi.Raz

Partager sur: