Fikaonandoha AIST: mitodika any amin’ny niomerika ny tahirimbolam-panjakana

Nanomboka omaly 9 mey hatramin’ny 12 mey, any Nosy Be, ny fikaonandoha iraisam-pirenena isan-taona mikasika ny tahirimbola sy ny fitantanambolam-panjakana (AIST). Miisa 29 ny firenena mpikambana, ka 21 aty Afrika, 4 avy any Eoropa, iray avy any Amerika, ary 3 Aziatika. Mitarika ny AIST i Madagasikara amin’ity taona 2023 ity, izay andiany faha-14.

Lohahevitra hodinihina ny hoe « ny teknolojia niomerika sy ny tolotrasa ampitain-davitra, hikarakarana tsara kokoa ny mpanjifa ». Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (DGT) malagasy, Rajao­fetra Andry Nirina, fa mifanandrify amin’ny vinan’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy tokoa ny lohahevitra izay mikendry tolotra maoderina ho an’ny vahoaka, hentitra, mangarahara ary mipaka amin’ny rehetra. Manandanja goavana ny fiovana mankany amin’ny niomerika, hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Anisan’ny efa am­piasana izany ny fampodiana ny vola vahiny, ny fandoavana ny vidin-tsolika, sns.
Fanamby lehibe miandry ny fiarovana ny antontam-baovao informatika, ny antontam-baovao manokana an’ny tsirairay, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fitantanana ny niomerika. Nana­tantera­hana izany ny fanaovana fanadihadiana, ny fampiofanana ny mpahay informatika. Notsipihiny fa ilaina atambatra ny hery amin’ny alalan’ny fikaonandoha toy izao, hanatrarana ny tanjona iombonana.
Revolisiona indostrialy fahefatra

Nanamafy izany ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nilazany fa mahavita zavatra goavana rehefa atambatra ny hevitra sy ny traikefa. « Miditra ao anatin’ny revolisiona indostrialy fahefatra isika, ka tsy azo ihodivirana ny tetezamita mankany amin’ny niomerika », hoy ihany izy.
Hisy ny fifanakalozana traikefa sy fijoroana vavolombelona ataon’ireo firenena samihafa. Toy ny any Ma­raoka, Bénin, Côte d’Ivoire, Frantsa, sns. Nanao famelabelaran-kevitra koa ny Banky Iraisam-pirenena, ny FMI, i Belzika, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: