MVola : azo atao ny mifanakalo vola amin’i Comores

Azo atao ny mandefa vola mivantana avy any Comores mankaty Madagasikara, amin’ny alalan’ny MVola, na­nomboka ny 17 avrily 2023 teo. Azo atao koa ny mandefa vola mivantana avy aty Ma­dagasikara mankany Como­res. Tsotra satria tsy voatery manantona masoivohona ban­ky intsony ny manan-draharaha fa vita amin’ny finday avy hatrany. Eo no ho eo koa, satria mivadika vola Ariary avy hatrany ny vola miainga avy any Comores, mankaty Madagasikara, ary mivadika vola kaomoriana koa ny alefa any amin-dry zareo, sady azo antoka satria misy teny sy/na tarehimarika miafina. Mora noho ny saran’ny fifanakalozam-bola any an-toerana ny MVola Comores. Azo ampiasaina mandritra ny andro sy ny herinandro ity tolotra vaovao omen’ny MVola ity. Azon’ny mpanjifa kaomoriana antsoina ny #444*1*2# na mampiasa ny tolotra (application) MVola Comores. Toy ny mahazatra, ny #111*1# kosa ny eto amintsika.

Njaka A.

Partager sur: