Lalana Andramasina sy Ambohimiadana : hampandraisina anjara ny mpitatitra sy ny mpandraharaha

Nidina tany amin’ny distrikan’Andramasina ny teknisiana sy ny injeniera ao amin’ny faritra Analamanga, ny herinandro lasa teo. Nojerena ifotony ny fanomanana ny hanarenana ny lalana, izay efa tena potika hatry ny ela.
Hiarahan’ny faritra Analamanga sy ny ben’ny Tanàna sasany, ny mpitatitra, ny mpandraharaha ary ny zanaka am-pielezana manatanteraka ity asa ity.
Mizara telo ny fanamboarana azy. Voalohany, ny lalana avy eo Andramasina mankany Anempoka. Faharoa, ny Anempoka mankany Alatsinainy Bakaro. Fahatelo, ny Anem­poka mankany Ambohimiadana.
Ho tonga tsy ho ela any an-toerana ireo fitaovana vaventy rehetra an’ny faritra Analamanga, avy amin’ny filoha Rajoelina.

Njaka A.

Partager sur: