Taranja fanatanjahantena : tokony hatrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC

“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia.

Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Ma­nangana sekoly manara-penitra maro ny fitondrana amin’izao fotoana izao. To­kony hampiarahiny amin’ izy ireny ny kianja ahazoan’ ny mpianatra manao fanatanjahantena mandritra ny taom-pianarana”, hoy ity mpanabe ity. “Mamolavola ankizy sat­ria fitaovana iray hampitana fahalalana. Aha­fa­han’ny mpi­­anatra manana toe-tsaina tia mifaninana, mifanampy amin’ny hafa, ahazoany fahatokisan-tena ny fanatanjahantena”, hoy hatrany izy.

Taorian’ny fanadihadiana natao teny ifotony, ma­ha­tsapa ny mpampianatra ta­ran­ja fa­na­tanjahantena fa to­kony ha­tao taranja tsy ma­in­tsy atre­hin’ny mpiadina re­he­tra amin’ny fanadinana BEPC izany. “Mampivoatra ny ankizy ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ny fanaovany fanatanjahantena ary mitarika azy ireo hanaja ny fitsipi-pifehezana amin’ny zavatra ataony rehetra”, hoy ny fanazavany ihany.
Manao antso amin’ny tomponandraikitra izy ireo, araka izany, hijery ny tolo-keviny. Misy fiantraikany amin’ny lentan’ny fanatanjahantena ao anatin’ny firenena iray ny firoboroboan’ny fanatanjahantena an-tsekoly.
“Mampalahelo ny mahita fa tsy manana mpampianatra nahazo fiofanana momba ny fanatanjahantena ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina eto amintsika satria tsy o­me­na ny lanja sahaza azy ilay taranja”, araka ny fanehoan-kevitr’ity mpampianatra ity.

Vonjy

Partager sur: