Mpanao safira hosoka : jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisy

Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpisoloky, voasambotry ny polisy ao amin’ny DSRP Menabe, afakomaly. Mitondra vato hosoka ny lehilahy roa ka mitady mpanakalo izany. Nokasain’ ireo mpisoloky ireo hatakalo rojo volamena tena izy ireto vato hosoka teny aminy. Noresen’izy ireo lahatra ny tompon’ilay volamena. Tonga hatramin’ny filazana fa safira tena izy ireo teny amin’izy ireo. Mailo anefa ny tompon’ny volamena. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy. Tetsy ankilany, mpivahiny avy any Sambava ireto mpisoloky ka nijanona tamin’ny trano fandraisam-bahiny. Noraisim-potsiny tao ny iray tamin’ireo mpisoloky ireo, raha toa ka tsy hita ny namany iray, ny 5 mey teo. Niroso tamin’ny fanamarinana ireo vato ny polisy. Safira hisoka avokoa ireo tratra. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika io lehilahy voasambotra io, ny 9 mey teo.

Tsiferana R.

Partager sur: