Valifaty! Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray teny Ambohitrony Ambohimanambola, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Raim-pianakaviana iray maty notsatotsatohan’ny jiolahy ny antsy tao an-tranony. Nahitana ratra teo amin’ny lohany, ny tendany ary ny kibony. Araka ny fitantaran’ny vadiny, roa lahy no niditra an-keriny tao an-trano, tamin’io fotoana io. Talohan’ny namonoana ilay niharam-boina, nohidin’ireo nahavanon-doza tao amin’ny trano fivoahana ny vadiny sy ny zanany dimy volana ary ny anabaviny. Novonoin’ireo olon-dratsy amin’izay ilay raim-pianakaviana. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Na teo aza anefa izany, afaka niantso vonjy ihany ilay renim-pianakaviana voahidy tao amin’ny trano fivoahana. Vory lanona ny fokonolona saingy efa tafaporitsaka ireo jiolahy. Tonga teny koa ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra momba ity vono olona ity. Nahavariana tamin’ity raharaha ity, tsy nangalatra ry zalahy fa namono ilay raim-pianakaviana fotsiny no nidirany tao. Hatramin’izao, tsy fantatra marina izay ambadik’izao vono olona izao. Ny valin’ny fanadihadian’ny zandary no mamaritra ny marina rehetra momba izany.
Jean Claude