Anisan’ny zava-baovao hita ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny fampiakarana ny tahan’ny hetra aloan’ny mpitrandraka amin’ny fanjakana. Etsy ankilany, nahena ny velaran-tany azon’ny mpandraharaha trandrahina, mba tsy hobodoin’ny olom-bitsy.
Dinihin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nanatrika koa ny mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny teknisianina, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpandraharaha vaventy sy madinika, ny mpikaroka mpampianatra, sns.
Nohazavain’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa anisan’ny zava-baovao ao anatin’ity lalàna ity, ny hampiakarana ho 5% ny hetra alaina amin’ny mpitrandraka raha 2% izany teo aloha. Nahena koa ny velaran’ny tany ho azon’ny mpandraharaha ampiasaina. Lasa 5.000 km2 ho an’ny fahazoan-dalana hikaroka (PR) ho an’ny olona na orinasa iray raha 10.000 km2 teo aloha, nahena ho 500 km2 ny fahazoan-dalana hitrandraka (PE) raha 1.000 km2 teo aloha, ary lasa 50 km2 ny toerana ho an’ny mpitrandraka mpanao asa tanana raha 100 km2 teo aloha.
« Antony, mba tsy hobodoin’ny olom-bitsy ny fitrandrahana, fa hitombo kosa ny afaka misitraka ary tena hitrandraka tokoa », hoy ny minisitra Rakotomalala Olivier.
Fampandrosoana sosialy
Hampandraisina anjara amin’ny asa fampandrosoana sosialy eny amin’ny toerana hitrandrahany ny mpitrandraka tsy ankanavaka. Nanamafy koa ny solombavambahoaka Mohamad Ahmad, fa nomena andraikitra hanaraha-maso ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, toy ny fandraisana ny tamberim-bidy, ny fanomezana lanja ny toerana ara-drazana, sns.
Raha tsy misy ny fiovana, handalo ao amin’ny fivoriambe ampahibemaso ny fandaniana ity lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ity, amin’ny zoma 12 mey ho avy izao, eny amin’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny fitakian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny hamoahana ity lalàna vaovao ity.
Njaka Andriantefiarinesy