OCP Maroc-Fofifa : « Fambolen-kazo eny ifotony »

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Maraoka, amin’ny alalan’ny Fondation OCP Maroc sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) amin’ny alalan’ny Fofifa sy ny CAFPA Antsirabe. Misy ny tetikasa vaovao, « Fambolen-kazo eny ifotony », iarahan’ny roa tonta, natomboka ny 9 mey teo, mahakasika faritra telo (Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Diana).
Tanjona ny hanatsarana sy hampitomboana ny famokarana. Hoentanina amin’ny haino aman-jery ny mponina ambanivohitra hanaja ny zavaboahary, ary hahafehy ny teknikam-pambolena isan-karazany ny Vondron’olona ifotony (VOI).

Hofanina ny VOI
Nilaza ny tale jeneralin’ny Fofifa, ny Pr. Razafinjara Lala, fa hojerena akaiky ny tontolo iainana satria potika. Manampy antsika amin’ny fisintonana ny entona karbona ny ala sady misintona orana. Tsy afaka mamokatra ny VOI rehefa tsy misy ny ala. Hanatanterahana ny fanofanana ny teknikam-pamokarana sy ny fanaovana tanin-janakazo ny voka-pikarohan’ny Fofifa. Ho an’ny tale iraisam-pirenena OCP Maroc, Hassina Moukhariq « hisy ny fifanakalozana traikefa, mba hipaka amin’ny toekarem-pirenena ny voka-pikarohana ary mba hahaleo tena ny faritra tsirairay ».

Njaka A.

Partager sur: