Hanatsara ny lafiny toekarena sy ny fiainan’ny mponina andavanandro atsy amin’ny Nosy Mayotte sy eto Madagasikara. Ireo ny napetraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Chambre de commerce et de l’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Agence de développement et d’innovation de Mayotte (ADIM). Natao, omaly, teny Androhibe ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Tanjona ny hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa malagasy sy ireo orinasa any an-toerana. Araka izany, “hampiroborobo ny lafiny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta izao fiaraha-miasa izao. Fa indrindra eo amin’ireo orinasa misy eto Madagasikara sy ny ao amin-dry zareo Mahorais ary ireo orinasa mpikambana ao amin’ny CCIFM”, hoy ny fanazavan’ny ny tale jeneralin’ny CCIFM, André Beaumont. Manana voka-pambolena maro isan-karazany ny firenena malagasy ka afaka manondrana izany ao amin’ny Nosy Mayotte. Na eo aza izany, mila jerena ireo dingana rehetra sy ny fenitra takina mahakasika izany.
CCIFM-Club Export
Ankoatra izay, notontosaina, omaly, tetsy amin’ny Residence de France Ivandry ihany koa, ny fifanaovan-tsonia ny CCIFM sy ny Club export Réunion. Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fizarana traikefa ary ny fampiasam-bola eo amin’ny Nosy La Réunion sy Malagasy. Voalaza nandritra izany koa ireo fepetra takina amin’ny fanatsarana ny vokatra avy amin’ny firenena roa tonta.
Henintsoa Hani