«Raha misy antontan-kevitra iray very, haren-tsain’ ny zanak’olombelona maneran-tany no very», hoy Ravelojaona Manda, sekretera jeneralin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Fehezanteny namintina sy nanome lanja lehibe ny fivoriana voalohany notanterahin’ny Komity malagasy «Mémoire du monde», tany Antsirabe, ny 4 mey hatramin’ny 6 mey teo.
Fotoana nampitomboana sy nanatevenana ny traikefan’ireo mpikambana ny amin’ny fitandroana sy fiarovana ireo tahirin-kevitra manan-danja voatahiry an-tsoratra eto Madagasikara. Nampahafantarina ireo mpiofana 18 mianadahy (nahitana solontenan’ny lafivalon’ny Nosy) tonga tany an-toerana ihany koa ny fandaharanasan’ny Unesco «Mémoire du monde», mba hahafahan’ireo mpikambana rehetra mifampidinika ny amin’ny fanomezana aina hatrany ny komity. Nandritra ireo telo andro ireo, Misako Ito, mpanolotsaina amin’ny rantsana serasera sy torohay eo anivon’ny biraon’ny Unesco ho an’ny faritra Afrika Atsinanana no nizara traikefa tamin’ireo mpiofana. Fantatra fa tanteraka izao fivoriana voalohan’ny komity malagasy «Mémoire du monde» izao noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Unesco sy ny Vaomieram-pirenena malagasy. Ho an’ny Unesco.
Raha tsiahivina, ny taona 1992 no niorina tao amin’ny Unesco ny fandaharanasan’ny «Mémoire du Monde». Taona 2009, nampidirina tao anatin’ny «Mémoire du monde» ireo tahirin-kevi-panjakana tamin’ ny taonjato faha-19. Taona 2021, nitsangana ny Komity malagasy «Mémoire du monde».
HaRy Razafindrakoto