Ifarimbonan’ny kaominina 4 ny fikojakojana ny lalana eny Tsarasaotra-Antsofinondry. Manatanteraka izany izy ireo ankehitriny. Saropiaro amin’iny lalana iny ihany koa ny kaominina ka ho hentitra amin’ny fanasaziana ireo minia manimba izany.
Taorian’ny fidinan’ny governoran’Analamanga teny amin’ny lalana pavé mampitohy an’i Tsarasaotra sy Antsofinondry dia midina nanatanteraka ny fikojakojana iny lalana iny ny ekipan’ireo kaominina eny amin’ny manodidina.
Manomboka rava ireo pavé narafitra ka arenina dieny izao mba tsy ho potika tanteraka. Nifanarahana tamin’ny kaominina 4 : Ambatolampy Tsimahafotsy, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra ary Ambohimanga Rova ny fikojana ny lalana satria anisan’ny misitraka ny tombontsoa amin’ny fahavitany izy ireo.
Manatanteraka izany ny mpiasan’ny kaominina. Mamerina amin’ny laoniny ireo vato mikorontana, manampy fasika, manamafy ireo mitady ho simba sy ny barazy mametra ny haben’ny fiara mivezivezy, mandalotra ny sisin-dalana….
Misy ihany ireo kaominina sasany mahavatra midina manara-maso ny lalana ary manao ny fikojakojana saingy ny sasany kosa tairina vao tonga saina ary izao mifarimbona izao.
Hentitra ny kaominina rehetra, miaraka amin’ny faritra Analamanga amin’ny fampiharana ny sazy amin’ireo fiara vaventy minia mandika lalàna ka mitrongy ny fefy vy mametra ny haben’ny fiara amin’ny fidirana sy ny fivoahana amin’iny lalana iny. Toraka izany ireo misokitra ny pavé minia manimba ny lalana na mandrava ny fefiloha.
Mirefy 6 km ny lalana mampitohy an’Antsofinondry amin’i Tsarasaotra. Manampy betsaka hialana amin’ny fitohanana rehetra any Ambohitrarahaba sy Sabotsy Namehana rehetra iny ny fandehanana aminy ho an’ireo rehetra avy any andrefana. 10 mn dia tonga eny Antsofinondry raha miala eo Tsarasaotra.
Tatiana A