Manana marotondro Vida azo kirakiraina amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny fandaharanasa momba ny fanaovam-baksiny eto amintsika. Fitaovana iray manome torolalana amin’ny paikady hanatsarana ny fanaovam-baksiny izy ary ahitana ny antontanisa rehetra momba ny fahavitrihana, famatsiam-bola, ny fampitaovana samihafa eny anivon’ny distrika. Manampy amin’ny fanapahan-kevitra eny ifotony raisin’ny tomponandraikitra ny Vida satria azon’ny ambaratonga rehetra jerena, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Anosy.
Distrika dimy (Morombe, Antananarivo Renivohitra, Mahajanga II, Farafangana…) no nampiasana voalohany ny fitaovana satria ambony ny tahan’ny ankizy tsy nahazo fatram-baksiny mihitsy (zéro dose) tao aminy, kely ny tahan’ny fanaovam-baksiny ary saro-dalana.
Azo arahi-maso tsy tapaka ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny distrika rehetra hitondrana vahaolana haingana.
Tao anatin’ny telo taona farany (2020-2022), nihena ny tahan’ny fahavitana ireo vaksiny mahazatra ho an’ny ankizy, izay miaro azy amin’ny aretina samihafa. Manao ezaka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka mametraka paikady hanitsiana izany ka anisany ny famolavolana ny fitaovana Vida. Namatsy vola ny fametrahana ny Vida ny Gavi. Mitentina 1,3 tapitrisa dolara ny sora-bola nolaniana ary ny Dalberg no nisahana ny asa. Nandritra ny fampahafantarana ity fitaovana ity ihany, omaly, no nanoloran’ny Gavi fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, hampiasana eny amin’ny CSB sy ny sampandraharahan’ny fahasalamana any amin’ny faritra.
Vonjy A.