Tontosa ny sabotsy 6 mey lasa teo, teny amin’ny kianja synthètique Andohalo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny mpianatra «Tournoi inter Lycée» andiany faharoa nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny Yest Agency. Nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny LTC Ampefiloha rehefa nandresy ny JJ Rabearivelo, tamin’ny isa 2 no ho 0. Tsy nisy afa-tsy ireo sekoly roa ireo ihany no nandray anjara ka avy hatrany dia natao famaranana mivantana.
Ho an’ny lehilahy, nahazo ny amboara ny Lycée JJ Rabearivelo. Efa tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 3 no ho 1, vao tafavoaka ry zalahy nanoloana ny LMA Ampefiloha. Teo amin’ny manasa-dalana, ny LMA nanilika ny Collège Privé Lucadro ary Rabearivelo nandavo ny Lycée Andranonahoatra. Afa-po ireo mpianatra nifaninana, afaka nilalao tamin’ny kianja “synthètique”.
12 ireo Lycée nandray anjara tamin’ity andiany faharoa ity, ka nisy ireo avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano sy Avaradrano ary Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ireo Liseam-panjakana, nisy koa ny sekoly tsy miankina. Tsiahivina fa hitrandrahana ny talenta miafina amin’ireo mpianatra ary hisarihana azy ireo tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina sy ny hafa ny tanjon’ny fifaninanana.
Tompondaka