LDC – Real sy City : hangotraka ny lalao miverina

Tontosa, ny talata teo, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Li­gue des Champions ». Nisara­ka ady sahala, 1 no ho 1, ny Real Madrid, Espaniola sy ny Man­chester City, Anglisy. Fihao­nana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Araka izany, hiady tanteraka ny lalao miverina any amin’ny tanin-dry zareo Anglisy.
Raha hiverenana ny lalao, nanokatra ny isa voalohany, ho an’ny Real, i Vinicus Jr, teo amin’ny minitra faha-36, fizaram-potoana voalohany. Na­nindry tanteraka ny ekipa espaniola saingy nifoha tamin’ny torimasony i Kevin De Bruyne, mpilalaon’ny City, ka nosahalainy ny isa, ny minitra faha-67.
Araka izany, tsy mbola afa-bela ny Anglisy. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Real Madrid no nanapaka ny nofin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana, ny taona-dasa teo. “Ho 50 % sy 50 % ny lalao miverina ary vonona foana izahay ny hanome ny herinay ho an’ny klioba Madrilène”, hoy i Cama­vinga, vodilaharan’ny Real Madrid.
Etsy ankilany, nilaza i De Bruyne fa tsy hanaiky ho resin’ny Real intsony, ary tombony ho azy ireo, hoy izy, ny fiverenana eo amin’ny taniny. Araka ny filazan’ireo mpankafy baolina kitra, sarotra ho an’ny ekipa espaniola ny dingana faharoa. Raha ny fahitan’izy ireo, nampiseho endri-dalao tsara ny Man City raha ampitahaina amin’ny Real Madrid. Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Rudiger, vodilaharana Real ilay lohalaharana Citizenina kalaza, Haaland, tsy nahazo fanafihana tsara mihitsy izy. Marihina fa ny alarobia 17 mey ho avy izao ny lalao miverina ho an’ny roa tonta ary ao amin’ny Etihad Stadium no hanatanterahana izany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: