Raikitra ny fifaninanana fiadiana ny amboara’ny Filoha, taranja karate, eo ambany fitantanan-dRatefinanahary Emile. Ny 25 hatramin’ny 28 mey izao no hanatanterahana izany, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Atleta hatramin’ny 1200 no andrasana amin’io fiadiana ny amboaran’ny Filoha io, izay manomboka ny 6 hatramin’ny 91 taona. Aorian’io, hamoaka ny isa ho an’ireo karatekas, handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, ny kaomisiona teknika.
Tsiahivina, fantatra ny talata lasa teo fa nankatoavin’ny MJS sy ny Federasiona iraisam-pirenena ny Federasiona malagasin’ny karate, tarihin-dRatefinanahary Emile. Nampahafantariny sy naseho tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny Barea Mahamasina ny antontan-taratasy mahakasika izany. Nambarany fa tamin’ny 26 avrily teo no nivoaka ny « certificat de conformité », nosoniavin’ny SG eo anivon’ny MJS sy ny « attestation de fonction » avy amin’ny DGS. Ny alatsinainy 8 mey teo kosa no tonga ny taratasy avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny karate (WKF), izay manala ny sazy sy mankato an-dRatefinanahary Emile ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny Karate.
Mi.Raz