Tonga nanolotra fitaovana sy fanamiana ofisialy fitondra milalao ho an’ny ekipam-pirenena, Ankoay lehilahy, ny orinasa Telma. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Palais des Sports Mahamasina izany ary natrehin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB).
Natao ho fanampiana ny ekipa malagasy izay hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany « World FIBA 3 x3 » izany, fifaninanana hotanterahina any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 4 jona 2023. Fitaovana toy ny baolina sy akanjo fitondra amin’ny fanazarantena sy fanamiana entina miatrika lalao no natolotra azy ireo. Efa manao fanomanantena indroa isan’andro ny mpilalao malagasy.
Tsiahivina fa miisa efatra ireo mpilalao nantsoin-dRandrianarivelo Jean de Dieu na Coach Deda, mpanazatra Ankoay 3 X 3. Lehiben’ny delegasiona, Rasaony Pascal, mpikambana ao amin’ny FMBB. Araka ny vaovao farany, hanainga mialoha hihazo an’i Serbia ny Ankoay hanao fanazarantena.
Fitia (Mpianatra asa)