Nifarana ny alarobia lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny amboara rezionaly “Coupe Régionale U19”, taranja baolina kitra. Ny ekipa voafantin’Itasy sy Atsimo Andrefana no hihaona eo amin’ny lalao famaranana, hotanterahina eto Antananarivo, kianja Elgeco Plus By-Pass, ny 14 mey ho avy izao. Marihina fa ho fiatrehana ny “Cosafa U20”, natao hitiliana mpilalao handrafitra ny Barea U 20 ity fifaninanana ity. Ireto ekipa roa ireto, voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy avy, Itasy ny an’ny sokajy Mahajanga, Atsimo Andrefana ny an’i Ihosy.
Tsiahivina fa nandavo ny ekipan’Atsinanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny zandrikelin’Itasy, teo amin’ny andro voalohany, raha toa ka niondrika teo anatrehan’ny ekipan’i Boeny, 2 no ho 1, ny faharoa, ary nandresy an’i Sava, 1 no ho 0, ny andro farany.
Nanao fandresena intelo misesy Atsimo Andrefana, anisan’izany ny nanamontsanan’izy ireo ny mpilalaon’i Vakinankaratra, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny andro faharoa, raha toa ka nandavo an’Atsimo Atsinanana, 4 no ho 3 ny andro farany.
Ankoatra izay, hisy mpilalao avy any ivelany hanatevina ny Barea U20 hanao ny Cosafa. Tsara ny mampahatsiahy fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny Barea U20.
Fitia (Mpianatra asa)