Notanterahina ny alarobia lasa teo, ny lalao manasa-dalana mandroso, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions ». Hanala vela amin’ny Inter Milan ny AC Milan, lavon’ny Inter tamin’ny isa 2 no ho 0, izy ireo. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianjan’ny San Siro. Tsiahivina fa i Dzeko, lohalaharan’ny Inter no nanokatra ny isa voalohany, teo amin’ny minitra faha-8. Telo minitra taorian’io, nampian’i Mkhitaryan ny isa. Hita ho lesoka ho an’ny AC Milan ny tsy fisian’i Rafael Leao, izay maratra sy manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Na dia maratra aza izy, manana mpilalao kalaza, toa an-dry Olivier Giroud, Theo Hernandez, ny AC Milan, ary azon’izy ireo atao tsara ny manenjika ny isa. Marihina fa ny talata 16 mey ho avy izao ny lalao miverin’ny roa tonta, ao amin’ny io kianja io ihany. Tsara ny mampahafantatra fa ny kianja Giuseppe – Meazza na San Siro dia itambaran’ny klioba AC Milan sy ny Inter Milan.
Fitia (Mpianatra asa)