Raha manonona ireo tarika mpandray anjara, dia sarin-gitara sy ilay “revy ambony tamboho” avy hatany no mby ao an-tsaina… Ho tafaraka an-tsehatra ao amin’ny Coliseum indray, hampirevy “Feo sy Gitara”, izy ireo.
Ela no niandrasana azy! Maro ireo nahatsiaro ilay seho goavambe na ny “Mega Concert”, izay notontosain’ny tarika Mahaleo sy ry Lôlô sy ny tariny tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny taona 1994. Nangataka famerenana foana ireo mpankafy, saingy ny taona 2015 indray vao nisy izany, tao amin’ny Coliseum de Madagascar. Toa izay ihany, niandrandra foana ireo mpankafy ny “vazo vokatry ny tany” sy ny “revy ambony tamboho”, ka ho to indray ny fanirian’izy ireo amin’ity taona ity.
Fantatra mantsy fa hisy indray ny revy “Feo sy gitara”, izay hotontosaina ny alatsinain’ny Pantekoty 29 mey izao, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Tarika maro no hifarimbona hizara ny vazo an-gitara amin’izany, ka lohalaharana ny revy Mahaleo sy ny revy Lôlô sy ny tariny. Na tsy tazana anatin’ny sary aza i Lôlô, ho avy avokoa ireo mpikambana any ivelany toa an-dry Dina, Passy, Ra-Play ary Erick Manana. Tsy vitan’izay fa mandalo eto an-tanindrazana ka handray anjara ihany koa i Hanitra Ranaivo, vavitokana tao amin’ny Lôlô sy ny tariny. Ao koa ingahibe Tselonina, indray nihira tamin’izy ireo ihany. Ny Tarika Levelo, izay manohy mamelo-maso ny kanto navelan-dRa-Bri. Ny tarika Tsiakoraka, izay efa maherin’ny 35 taona nizarana ny revy an-gitara ihany koa. I Hery, fantatry ny maro amin’ny feony miavaka, na tao anatin’ny tarika Njila izany na izy nandeha irery. Satria vory an-tanindrazana koa ny tarika Feo Gasy, mazava loatra fa handray anjara izy ireo. Ny tarika Zandry Gasy, izay araka ny anarany, manara-dia ireo zokiny ary sambany hiray sehatra amin’ireo andrarezina amin’ity. Farany fa tsy kely anefa, hitrotro ireo mpanakanto mpandray anjara rehetra ry Tafan-glita, ivondronan’ireo tanora mpitendry gitara anisan’ny misongadina: Mbola Talenta, Jovin, Nini Kaolibera ary Hoby.
Fampisehoana fanomezana
“Feno 15 taona amin’ity ny mi’Ritsoka Production. Ho fanamarihana izany dia hataonay ho fanomezana ireo mpankafy mozika, nanaraka sy natoky anay hatramin’izay io seho io. Sambany izahay vao hikarakara fety ao amin’io toerana io, ka ity endri-pampisehoana ity no voalohany, araka ny fangatahan’ireo mpankafy hatrany”, hoy ny nambaran-dRandriamampianina Hery, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny mi’Ritsoka Production. Sarotsarotra ny nampifanandrify ny daty mahafaka ireo mpanakanto ireto, indrindra fa misy maromaro ny avy any ivelany, toa ireo mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, raha ny fanazavana hatrany.
Raha tsiahivina tokoa, efa tena ela no tsy tafaraka an-tsehatra ireto tarika nitondra avo ny mozika “vokatry ny tany” ireto. Efa maro ireo mpikambana no nodimandry, nandritra izay fotoana izay. Fotoan-dehibe hoan’ny rehetra, araka izany, ity fampisehoana ity.
Zo ny Aina