Tontosa omaly, teny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Madagaslam sy ireo mpanohana. Ny mahakasika ny fiadiana ny ho tompon’ny amboara eran-tany amin’ny Slam Poésie, fandaharam-potoana mandritra ny dia any ivelany, sy ny momba ny fifaninanana Madagaslam andiany faha -14 no noresahina tamin’izany. Efa ao anaty famaramparanana ny fanomanana ny mpandray anjara sy ny tomponandraikitra ary nampanantena ny hitondra vokatra tsara ho an’ny tontolon’ny Slam malagasy.
Hotanterahina ny 15 mey 2023 hatramin’ny 21 mey 2023, any Belleville-Paris, Frantsa, ny fiadiana ny tompon’ny amboara eran-tany eo amin’ny Slam Poésie. Mpiangaly Slam miisa 20, sangany eran-tany no hifaninana ao anatin’izany. Hizara dingana telo ny fifaninanana. Ny dingana iray izay misy fihodinana telo. Ny naoty mandritra ny fihodinana no hatambatra ka ahafahana miakatra amin’ny dingana manaraka. Roapolo isa ny mpandray anjara. Izay 12 tsara indrindra amin’ny dingana voalohany no miakatra amin’ny dingana faharoa. Izay 6 tsara indrindra kosa avy eo no miatrika ny dingana fahatelo sady farany no famaranana. Marihina fa amin’ny tenin’ny firenena isoloany tena no hanaovan’ny mpandray anjara iray ny fandraisan’anjarany. Amin’ny teny malagasy, araka izany, no hanaovan’i Hichim, solontenan’i Madagasikara, ny fandraisany anjara saingy tsy maintsy asiana dikateny anglisy sy frantsay izany, araka ny fepetra fandraisana anjara.
Efa mamaramparana ny fanomanan’i Abdoulanum Abdillah na Hichim. Araka ny fandaharan-dalao, ny 16 mey 2023 izy vao hiaka-tsehatra. Tsy handeha irery ity tompondaka farany teo amin’ny tontolon’ny Slam malagasy ity fa arahana tomponandraikitra. Tafiditra ao anatin’izany delegasionina izany i Bini sy Tohy, izay samy tomponandraikitra ao amin’ny Madagaslam. “Famerenana ny lahatsoratra entina mandray anjara sisa no atao amin’izao. Handeha faran’izay lavitra amin’izao fifaninanana izao no tanjona. Ny ho ao anatin’ny voalohany no azontsika andehanana hatreto fa irariana ny mihoatran’izay”, hoy i Hichim, solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompon’amboara eran-tany eo amin’ny Slam.
Hisy ihany koa ny hetsika hafa hotanterahin’ny delegasionina malagasy aorian’ny fifaninanana. Anisan’izany ny fampisehoana sy ny atrikasa hotanterahin’i Hichim. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiangaly Slam any ivelany.
Lin(Mpianatra asa)