Hotanterahina anio manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Hotel de ville Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny mpianatry ny Academie nationale des Arts et de la culture na Anac. Hetsika nampitondraina ny lohateny hoe « Concert de fin de cycle 1 ». Mpianatra zavamaneno maro samihafa no haneho ny talentany mandritra io fampisehoana io. Ankizy sy tanora izay nandranto fianarana tao amin’ny Anac, nandritra ny taona akademika.
Haneho ny talentany eny amin’ny “Hotel de Ville” Analakely, ny mpianatry ny Anac. Ny mpianatra zavamaneno Piano, Gitara, Violon, Alto, Violoncelle, Accordeon, Trompette, Trombone no hiaka-tsehatra mandritra io fampisehoana io. “Tsy ho latsa-danja amin’ny seho nataon’ny mpianatry ny ANAC hatramin’izay ity seho ity. Hisy ny hampiavaka ity hetsika ity manokana, izany indrindra no nanaovana azy amin’ny toerana sahala amin’io”, hoy ny mpikarakara. Ankoatry ny fanehoan’ny mpianatra isaky ny karazan-javamaneno tsirairay avy. Hisy ny fotoana hanehoan’izy ireo seho iraisana. Manodidina ny ora 2 no hanatanterahina ny hetsika ary ny mpianatry ny Anac avokoa no hameno ny sehatra mandritra ity fampisehoana ity.
Misehitra amin’ny haikanto manontolo ny Anac fa tsy amin’ny mozika ihany. Mora ny tarika sy olona sangany amin’ny sehatra misy azy no nivoaka avy amin’ity toeram-panofanana ity. Tanjon’ity toeram-panofanana ity ny hanandratra ny tontolon’ny haikanto malagasy, amin’ny lafiny rehetra.
Lin(Mpianatra asa)