Tanterahina any amin’ny faritra Fitovinany, ao Manakara, ny herinandro faharoa hanamarihana ny iray volan’ ny fiahiana sosialy. Lohahevitra novoizina ny fandraisan’andraikitr’ireo olona manana fahasembanana.
Niompana tamin’ny fahaleovantenan’ireo sokajin’ olona manana fahasembanana ny dinika ka nahafahana nihaino ny faniriany sy ny fomba fijeriny hanatsarana ny fiahiana azy ireo. Nisongadina nandritra ny resaka nataon’izy ireo fa fampitaovana kokoa no ankasitrahany miampy ireo karazana fampiofanana arakasa, hahafahany mivelona sy ahatoky tena.
Tetsy andaniny, niady mafy ny mba hanaovana ho laharam-pahamehana ny fametrahana lalana sy fotodrafitrasa hanamorana ny fifamezivezeny ireo olona manana fahasembanana ireo.
Nanamafy ny fangatahany ny governoran’ny faritra Fitovinany ny hamadihana ny tan-tsoroka ara-bola avy amin’ny tetikasa isan-karazany, toy ny Haratonaina, mba hanamboarana fotodrafitrasa miaraka amin’ny fitaovana. hahafahan’izy ireo mampiranty ny vokatry ny asany ny antony.
Handray ny herinandro fahatelo amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny fiahiana sosialy ny faritra Anosy.
Tatiana A