Yali MWF : tanora 11 mianadahy hanainga ho any Etazonia

Nihaona tao amin’ny ma­so­ivoho amerikanina tamin’ ity herinandro ity ireo tanora mpitarika 11 mianadahy voafantina hisitraka ny vatsim-pianarana “Mandela Wash­ing­­ton Fellowship for Young African Leaders» (YALI MWF) amin’ity taona 2023 ity. Nanomana ny diany izy ireo ary hifankafantatra bebe kokoa. Tamin’ izany koa no nampahafantaran’izy ireo izay andrasany amin’ity programa ity, ary nandray torolalana sy torohevitra avy amin’ ireo tanora mpitarika efa nisitraka izany sy ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivoho.
Hanainga ho any Etazo­nia izy 11 mianadahy, samy hi­van­tana any amin’ireo Oni­ver­site sy sekoly ambony ame­rikanina hampiantrano azy avy. Hanaraka fiofanana manomboka ny 21 jona hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao izy ireo.
Hifamotoana amin’ireo tanora mpitarika mandray anjara hafa manerana an’i Afrika izy ireo mandritra ny herinandro farany amin’ity programa ity.
Hanatrika ny fihaonana an-tampony ao Washington D.C, izay hatrehin’ny tomponandraiki-panjakana sy mpitantana orinasa tsy miankina amerikanina maro ihany koa.
Tanora malagasy maro no efa nisitraka ny fandaharanasa ary manana ny sehatra misy azy , mitondra ny trakefa norantoviny tany Etazonia nandritra ny fivahinianana tany.
Nanomboka tamin’ny ta­ona 2014 ny Mandela Washington Fellowshi. Fandaharanasa lehibe indrindra amin’ny Young African Leaders Initiative (YALI) ary maneho ny fanolorantenan’i Etazonia amin’ny fanohanana an’i Afrika sy ny hoaviny entin’ireo tanora.

Tatiana A

Partager sur: