Boky rovitra no azo ilazana ny zava-misy eo anivon’ny fitantanan-draharahan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina, araka ny fanadihadiana natao. Tsy tokony hisy olana ny karaman’ny mpiasa. 18 ny tsena, manampy ireo fivarotana ivelan’ny tsena, ny fampiasana ny moron-dalana, ny guichet-na taksiborosy, ny bar sachet eny amoron-dranomasina. Ny posy izay efa miakatra ho 5.000 ny isany, Bajaj 3.000, saran’ny fijanonana, hetran-trano…
“Raha miditra ara-dalàna anatin’ny kitapom-bolan’ ny kaominina ireo vola voalaza ireo, hoy ny mpanolon-tsaina anivon’ny filankevitry ny tanàna, nandritra ny fivoriana voalohany izay nifarana ny alarobia lasa teo, tsy tokony hisy ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa”. Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny Tanàna, Jaosola Gervais, fa ilana fanovana hentitra ny fomba fiasan’ny mpiasa indrindra ireo talen’ny sampandraharaha.
Tsy afa-po ihany koa momba ny tatitra teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fifamoivoizana sy fitaterana an-dRenivohitra ny filankevitry ny tanàna, nandritra ny fivoriana. Tsy voafaritra mazava ny vola niditra tamin’ny fampidirana “fourrièrre” ny posy, ny bajaj sy ny hafa. Araka ny fanadihadiana natao, tsy latsaky ny 200 isan’ andro ny posy voageja. Misy taratasy famoahana posy 900 naiditra fourrière nefa tsy nahitana sora-bola, nanomboka ny 2 mey ka hatramin’ny 5 mey lasa teo. Milaza ireo mpitondra posy voageja fa nandoa vola 9.000 Ar isan’andro ary tsy maintsy hefaina ny telo andro vao mivoaka ny posy.
Sajo