Mampiray ny mpandraharahana isan-karazany manerana ny Nosy sy ireo orinasa eto
an-toerana sy avy any ivelany ny FIM andiany faha-17. Asongadina anatin’ny hetsika
ny fikolokoloana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra.
Nisokatra nanomboka omaly, eny amin’ny Parc des expos Forello, Tanjombato ny “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-17. Zava-dehibe eo amin’ny lafiny toekarena sy ara-barotra ity hetsika ity, noho izy mampivondrona mpandraharaha maro isan-karazany manerana ny Nosy. Ao ireo mpanao asa tanana, ao ihany koa ireo orinasa avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Araka izany, hifanerasera avokoa ny rehetra mandritra ny efatr’andro. Hizara sy hampiranty ny fahaiza-manaony ireo mpandray anjara. Ao koa ireo hampahafantatra ny asany sy ny tolotra omeny. Maro ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha nandray anjara tamin’ity FIM 2023 ity. Tao ireo sambany vao nanao izany, tao kosa ireo efa nandray anjara tamin’ireo hetsika teo aloha. «Ilaina ny hetsika toy izao mba hivoahantsika ny krizy izay miseho maneran-tany. Mahavelombolo ihany koa ny mahita ireo tanora manodidina ny 20 taona efa misehatra sahady amin’ny fandraharahana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Notohizany fa mila tosika, fanohanana sy fanampiana ara-bola, ara-kevitra ary ara-teknika ireo tanora ireo. Araka izany, tombony sahady izao ho azy ireo, noho izy mampivelatra ny fandraharahany sy ny orinasa sahaniny.
Espace eco-responsable
Mitondra ny lohahevitra fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra ny FIM andiany faha-17. Amin’ izay indrindra, maneho izany ireo fikambanana maro samihafa izay misehatra amin’ny fanodinana ny fako ho akora azo ampiasaina indray. Tsiahivina rahateo fa takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mamatsy ny «parc des expos», mandritra ny hetsika. Tanjona ny ho modely sy fitaratra eto amin’ ny ranomasimbe indianina.
Henintsoa Hani