Nanomboka omaly 11 hatramin’ny 13 mey, ny fivoriamben’ny Filankevitry ny governora, ahitana firenena 24, avy amin’ny faritra tapany atsinanana sy atsimo (ESA) ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Anisan’ny manome voninahitra manatrika izany ny sekretera jeneraliny, Kunio Mikuriya.
Mamaritra ny paikady stratejikan’ny mpikambana ao amin’ny ESA ny filankevitry ny governora. Mamantatra ny tantsoroka ho an’ireo tomponandraikitry ny ladoany, mba hanamorana ny fifanakalozana ara-drariny, ny fanangonana ny haban-tseranana, ny fiarovana ny orinasa ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao.
Hoavin’ny planeta i Afrika
Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, fa tsy mitsahatra mivoatra ny varotra iraisam-pirenena, ka tsy maintsy manaraka ny toetrandro sy ny fanavaozana. Ho an’ny SG-n’ny OMD, Kunio Mikuriya, hoavin’ny planeta i Afrika. Tsy maintsy ho avy ny fahalalahan’ny fivezivezen’ ny entana (ZLE), ka hiroborobo ny fampandrosoana. Koa, ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Noderainy manokana ny zava-bitan’i Madagasikara, satria nahavita nampitombo 50% ny vola niditra tamin’ny haban-tseranana, na teo aza ny krizy ara-pahasalamana.
Hoentina any amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny OMD any Bruxelles, Belzika amin’ny jona 2023 ny fehin-kevitra azo mandritra ity fivoriana ity.
Njaka A.