Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be

Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, oma­ly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boi­na, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy lava no tompon’antoka tamin’ izany tao anaty taxi-be.
Teo amin’ny fiantsonana iray eo akaikin’ny tobin-tsolika eo Bel Air izy roa lahy no niakatra. Tsy nipetraka tany aloha izy ireo fa teo akaikin’ity vehivavy ity, mipetraka amin’ ny seza farany, raha ny fanazavany hatrany. Mody note­ren’izy roa lahy ilay re­nim-pianakaviana sady nambanany antsy no niteny moramora ny iray hoe “avoay ny vola sy ny finday ao anaty poketra”. Ny olona ao anaty taxi-be anefa tsy mahita izany rehetra izany.
Vao nahazo izay notadiavin’izy ireo dia lasa nivoaka ny fiara ka nandeha am-pilaminana. Niezaka nanenjika sy nitady famonjena ta­min’ireo miaramila ma­nodidina ny toby izy. Tsy nisy niraharaha izany anefa izy ireo, araka ny fanazavany ha­trany. “Izaho indray no lazain’izy ireo fa adala nangataka fa­monjena taminy”, hoy izy. Nifanilika ireo miaramila fa tsy andraikitray izany fa mandehana any amin’ny zandary. “Tratra anefa ireo jiolahy raha nenjehina avy aoriana satria nidina mihazo ny arabe mankany Besarety ny lalany”, raha ny fanazavany hatrany.
Misy milaza ho mahafantatra ireo jiolahy ny manodidina saingy tsy afa-nanoatra. Olana amin’ny fisian’ireo mpanendaka anaty taxi-be ny firaisana tsikombakomba amin’ireo jiolahy sy ny resevera.

Jean Claude

Partager sur: