Tanterahina, anio, eny amin’ny Aro Antsahavola, ny «Zarasehatra Redombe», hetsika tafiditra ao anatin’ny sehatra bagasy, volana mey 2023, karakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Fampisehoana, dinika, fampianarana no hameno ny fandaharam-potoana amin’ity anio ity. Tanjona ny fampiraisana ny mpanao bagasy rehetra, eo koa ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra eo amin’ity gadona iray ity. Ireo efa ela niainana teo amin’ny bagasy no tena kendrena hifampizara ny fahaizany amin’ny tanora vao miditra eo amin’izany sehatra izany.
Hifanome fotoana eny amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny mpiangaly ny bagasy rehetra. Hisy ny fananganana ny “Redombe Bagasy” mandritra izany, ivondronan’ny mpanao bagasy rehetra tsy ankanavaka. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fampianarana ny fomba amam-panao amin’ny fanaovana ity gadona ity. Anisan’ izany ny fianarana ny hira fisokafan’ny rindrindamba. Mitohy amin’ny sehatra malalaka ny hetsika aorian’
izay. “Adidy sy andraikitray niaina fotoana ela tamin’ny fanaovana bagasy ny mampianatra sy mizara ny momba ity sehatra iray ity amin’ny tanora liana amin’izany, mba hisian’ny fanilo miampita sy hampiroborobo izany sehatra izany”, hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ny Sehatra Bagasy.
Fomba fihira sy fitendry anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny bagasy. Maro ny tanora sy tarika ahitana tanora efa manana ny maha izy azy eo amin’ny fanaovana izany, anisan’izany ny tarika M’Iray Kalo. Tanora maro no mivondrona ao amin’ity tarika ity, izay azo lazaina fa efa mahafehy ny bagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Sehatra.
Lin (Mpianatra asa)