Trophée du jeune entrepreneur : tanora roa nahazo fampindramam-bola 150 tapitrisa Ar

Fampidramam-bola mitentina 150.000Ar avy amin’ny BNI. Ity ny loka natolotra an’ireo tanora mpandraharaha miisa roa nahazo ny fifaninanana “Trophée du jeune entrepreneur” (TJE). Mandra­ha­raha eo amin’ny sehatra nomerika, Andriambololona Ranto. Nahazo fampindramam-bola 100 tapitrisa Ar avy amin’ny BNI izy, hoentiny hanohanany ny tetikasany. Le­lavola 50 tapitrisa Ar kosa ny loka ho an-dRarivo Ra­voatra. Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny tantely. Araka izany, samy hisitraka fampindramam-bola averina tsy misy zanabola avy amin’ny BNI ireto mpandraharaha ireto entina hampiroboroboana ny tetikasany. “Hanampy betsaka anay amin’ny fanatsarana ny sehatrasa ataonay ity lelavola ity”, hoy i Ranto. “Entinay hampahafantatra ny vokatra tantely eto Madagasi­kara sy any ivelany kosa ilay lelavola 50 tapitrisa Ar azonay. Tsy vitan’izay ihany fa hoentinay hanondranana ireo vokatra 55t mankany ivelany koa io vola io”, hoy kosa Ra­voatra. Ankotra izay, mahazo fiofanana ao amin’ny NextA sy fanomezana hafa avy amin’ny Telma ihany koa ireo tanora mpandraharaha mendrika tamin’ny fifaninanana rehetra.

Henintsoa Hani.

Partager sur: