Nanao fitiliana ireo hena tany amina mpivaro-kena samihafa eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Nilaza ny talen’ny rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny dokotera Razafinarivo Andrianjaka, omaly, tetsy Ambohidahy fa tsy nahitana “formol” ireo hena natao fitiliana. Nifanotrona namoaka ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina teny amina mpivaro-kena tokoa mantsy ny ACSQDA, ny minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ary ny Codex Alimentarius. Araka izany, nanentana ny tomponandraikitra hanohy ny ezaka sy hanamafy ny fanaraha-maso ny filohan’ny komity nasionaly ny Codex Alimentarus, ny dokotera Ramahatafandry Ilo Tsimok’Haja. Notsindriany tamin’izay mba tsy ho alaim-panahy hanandrankandrana aorian’izao filazana izao ireo mpivaro-kena. Ankoatra izay, nanentana ny mpanjifa ihany koa ity tomponandraikitra ity mba hividy hena madio izay misy ny fitomboky ny mpanara-maso izy ireo. Nanambara ny talen’ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny minisitera misahana ny Varotra sy ny fanjifana fa atolotra ny fitsarana ireo minia manisy “formol” ny hena amidy. Afaka miantso ny laharana maitso 0336581234 ireo rehetra mahita tranga mampiahiahy.
Henintsoa H.