Andro iraisam-pirenena ho an’ny hatsikana: hisy ny hetsika fankalazana ho an’ny rehetra

Andro lehibe ho an’ny fianakaviamben’ny hatsikana malagasy ny anio. Hisy ny hetsika maro samihafa entina hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fihomehezana, izay tokony natao ny 7 mey 2023.

Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fihomehezana ny eto Madagasikara. Maro ny hetsika entina manamarika sy mankalaza izany anio 13 mey 2023, eny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina maro samihafa. Anisan’izany ny « Lire dé lire » eny amin’ny AFT Anda­vamamba, karakarain’ny Gasy Stand Uppers. Eo ihany koa ny ao amin’ny Ivokolo Analakely, iarahana amin’ny mpanao ha­tsikana vao misandratra sy ny efa manana ny lazany. Fankala­zana ity atao anio ity fa efa tamin’ny 7 mey no Andro iraisam-pirenena ho an’ny fihomehezana.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy sy ny mpanao hatsikana ny andro anio. Hisy ny hetsika “Lire dé lire” ny ma­raina, manomboka amin’ny 10 ora. Atrikasa sy fampisehoana no ho hita mandritra ity hetsika ity, iarahana amin’ny mpikambana eo anivon’ny Gasy Stand Uppers. Hisy ny atrikasa fanoratana lahatsoratra fanao amin’ny hatsikana “Stand up”. Eo ihany koa ny torolalana hahatongavana ho matihanina eo amin’ny fanaovana “Stand Up”. Tanjon’ny fikambanana ny fampiroboroboana ny “Stand Up” eto Ma­da­gasikara. Ankoa­tra izay, hisy ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny vao niatrika ny atrikasa, ho fampiharan’izy ireo ny nampitaina taminy nandritra ny tamin’izany.
Eny amin’ny Ivokolo Ana­lakely kosa ny tohin’ny hetsika, iarahana amin’ny fianakaviamben’ny hatsikana. Ahitana ny mpanao hatsikana efa manana ny lazany sy ireo vao misandratra. Barhone, Etsetra Etsetra, Aina Maha­ravo, Som­bi­niaina, Raytra Belaw’Ych, ary Godar. Hano­trona azy ireo amin’izany ny mpanao hatsikana vao misandratra sahala amin’i Zina Ra­be­daoro, Falitiana Kely, Ori­ma Sarobidy, Mamy Rali­jaona, Lanja Babeine, Hasim­bolaniaina, Tsiresy. Samy haneho ny maha izy azy avy ireo mpanao hatsikana ireo mandritra ny hetsika. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fanehoana ny maha iray ny tonto­lon’ny hatsikana malagasy na dia samy manana ny karazany avy aza.
“Ny olona rehetra tsy an­kanavaka no andrasana amin’izao hetsika izao. Hiaraka hankalaza izany andro iraisam-pirenenan miavaka kely izany isika. Maimaimpoana ny fampisehoana ary ny mpijery afa-po no tanjona”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: