Mirafitra indray ny tarika! Hafaliana ny an’ireo mpankafy, tamin’ny naheno fa tafaverina ao anatin’ny tarika Tempo Gaigy i Lova. Mbola niampy ihany koa izany, rehefa nahalala fa ho avy manokana avy any ampitan-dranomasina, hanatevina ny tarika i Dina. Nigadona an-tanindrazana, ny alakamisy teo izy, hanampy an’i Faniry, Pôpôly ary Lova amin’ilay fampisehoana izay hotontosain’izy ireo rahampitso 14 mey, etsy Antsahamanitra.
Seho ho fanamarihana ny faha-25 taonan’ity tarika anisan’ny nanamarika ny taona 2000 ity izy io. Efa elaela no naka bahana tamin’ny fiverenana anatin’ny tsenan’ny mozika ny tarika Tempo Gaigy. Rehefa nahazo toky tamin’ireo mpankafy, vonona izy ireo hamerina ireo manodidina ny 40 taona any amin’ny fahatanorany, na ny fahazazana mihitsy ho an’ny sasany. Tsikaritra ihany koa anefa fa nahazo mpankafy tanora ihany koa ny Tempo Gaigy, na dia efa tany amin’ny 20 taona lasa aza ry “Ramose tatanta”, “Boli Boli”, “Izany foana”, “Ranomaso efa ritra”, sns.
Zo ny Aina