Atao izay lazaina, lazaina izay atao…

Tsy misy vola, hono, ny fitondram-panjakana. Banky rompitra? Manaiky hiditra amin’ny fitondrana Tetezamita, hono, ny fitondrana amin’izao, ka hoe ny iray amin’ireo filoha teo aloha no mahafeno fepetra hitantana izany. Inona na ahoana koa ity honohono ankifonofono ifamitahana sy isaritahana an-toerana? Tsy inona fa vaovao tsy marina, famendrofendroana, fanakorontanana… Mba marina ve izany rehetra izany?
Mandeha be na inian’ny sasany alefa ny resaka, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera sosialy: tsy hita hamarinina, be mpanaraka… Sanatria, izany ve, ohatra, no ndeha hitantanana ny fiainam-pirenena na ny raharaham-bahoaka? Efa ho lava ny famoahana sy fanelezana vaovao tsy marina. Hany ka tsy mampiraika firy loatra intsony? Nefa tsy ilaozan’izay mora andairan-javatra, minomino foana, tsy manamarina…
Tsy fantatra na tsy lazaina tsinona ny marina ny amin’izay tokony ho fantatry ny vahoaka? Indrindra izay iriny ho fantatra, angatahiny na takina havoaka… Ahoana izao, ohatra, ny fangatahan’ny KMF/Cnoe ny amin’ny tombontsoa azon’ny mpitondra ambony? Hoe raha tsy lazaina ny marina, naman’ny ekena na marina ihany ny resaka mandeha na alefan’ny sasany etsy sy eroa. Hatraiza ny fifampitokisana amin’ny toy izany?
Izay ilay hoe atao izay lazaina, lazaina izay atao. Mba hisorohana izay mety ho filazana sy fanaparitahana vaovao tsy marina na fanakorontanana amin’ny tsaho izany. Tsy andrasana ho efa sarotra sy mahahenika ny rehetra ary ela ny raharaha vao ikoropahana. Raha tsy maintsy holazaina sy hohazavaina ihany amin’ny farany ny marina, ny tsotra sy haingana no tsara indrindra. Izay no fifampitokisana, fangaraharana, fijerena lavitra…
Tsy ny fisiana na tsy fahampian’izay fanazavana mialoha izay tokony ho fantatry ny olompirenena izay no mampisy sy mampahazo vahana ho azy ny vaovao tsy marina, tsaho, fanakorontanana… Tsy lavina, mety misy marina ihany ny resaka etsy sy eroa na marina amin’ny ampahany. Izay indrindra no mila fahamalinana. Mila fonosina marina, hono, lainga mba hoekena ho marina, araka ny fitenenana iray izay.
Mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, eo amin’ny samy vahoaka na ny samy mpitondra: hatraiza ny fiheverana sy fiainana mandrakariva, araka izay tratra sy azo tanterahina ny hoe atao izay lazaina, lazaina izay atao?

R. Nd.

Partager sur: