Nisongadina indray ny asa soratra tamina fifaninanana afrikanina. Malagasy mpanoratra sy trano mpamokatra Maorisianina no fototra nahazoana izao vokatra izao. Rakotoson Michèle, araka izany, no nandimby an’i Yamen Manai, izay mpandresin’ity fifaninanana ity, ny taona 2022.
Azon’i Michèle Rakotoson, ny laharana voalohany, tamin’ny fifaninanana «Prix Orange du livre en Afrique», andiany faha-5. Nambara tamin’ny fomba ofisialy izany nandritra ny lanonana fanolorana amboara ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana, natao tany Abidjan, Cote d’Ivoire, ny Zoma 12 mey 2023. Nahatratra 38, avy amina trano mpamokatra 29, ny asa soratra nifaninana tamin’ity andiany ity. Firenena 12 miteny Frantsay avy eto Afrika no nipoiran’izy ireo. Vola 10 000 Euros sy tohana amin’ny fampiroboroboana ny sanganasany no azon’i Michèle Rakotoson.
Mandalo fitsarana sy sivana maro ny asa soratra rehetra nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny fitsarana ataona vondrona mpitsara 5, avy amina firenena 15, avy eto Afrika. Vondron’ny mpitsara tarihin’i Véronique Tadjo sy olona misehatra eo anivon’ny literatiora ary mpamaky an-jatony. Asa soratra 5 no notsongaina tao anatin’ny maro, nandritra ny dingana voalohany. Ny sanganasa voatsongo kosa no nisafidianana sy notsaraina ka nivoahan’ny mpandresy. Ny mampiavaka azy, ny votoatiny no anisan’ny fepetra itsarana ny asa soratra voafantina, araka ny nambaran’ny mpitsara.
“Ambatomanga”. Io no lohatenin’ny asa soratra nentin’i Michèle Rakotoson nifaninana tamin’izany. Asa soratra mitantara zava-nisy tamin’ny vanim-potoana fanjanahantany. Mitantara ny tantaran’i Félicien Le Guen sy Tavao. Félicien Le Guen izay manamboninahitra vahiny liana amin’ny fanaovana sedra eny anivon’ny natiora, raha tanora andevo avy ao Ambatomanga nifidy hiatrika ny ady kosa i Tavao.
Natolotra an’i Ibrahim Hane kosa ny amboara miavaka ho an’izao fifaninanana izao, noho ilay asa sorany «Les Dieux de la brousse». Ny fifaninanana izay manana tanjona ny hiantsoroka sy hampiroborobo ny asa soratra Afrikanina, hatramin’ny nisiany, ny taona 2019.
Lin (Mpianatra asa)