Misaona ny kanto : nodimandry i Claudine, vadin’i Jaojoby

“Nilazaon’ny manangy tsy mirenireny fa mpamelom-bady aman-janaka atsika. Maty tamin’ny 00.30 teo ny vadiko Zafinera Claudine Robert”, hoy ny filazana nataon’i Jao­joby, ny marain’ny sabotsy teo. Efa niady tamin’ny aretina nandritra ny fotoana elaela i Dina na i Claudine. Tsy nahatohitra izany izy ka izao nindaosin’ny fahafatesana izao ity mpanakanto ity. Mpihira manaraka an’i Jaojoby vadiny no tena nahafantaran’ny maro an’i Claudine. Ilay hira “Tsy hirenireny”, ohatra, mampisongadina ny feony. Mitsiky lava izay no tena nahalalan’ny rehetra azy. Lehiben’ny tarika Saramba ihany koa anefa i Claudine. Nanana ny lalany manokana io tarika io, ary malaza eto sy any ivelany ihany koa.
Araka ny fandaharam-potoana, hiala ao Ambohipo ka hihazo an’i Vohémar ny vatana mangatsiakan’i Clau­dine. Hotontosaina ny alarobia kosa ny fandevenana. Mirary fiononana hoan’ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo ny ga­zety Taratra.

Zo ny Aina

Partager sur: