Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar

Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0.

Azon’ny ekipa voa­fantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja baolina kitra, sokajy U 19 lehilahy. Nomon­tsa­nin’ny ligin’Itasy tamin’ny isa 4 no ho 0 ny ekipan’ Atsi­mo Andrefana, nandritra ny lalao famaranana, natao omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elge­co Plus, By- pass.
Nanjakan’Itasy ny la­lao tao anatin’ny 90 mn. Poro­fon’izany, efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0, izy ireo teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao minitra faharoa sy fahaenina, nahafaty baolina roa izy ireo. Nampitomboan’ny kapitenin’Itasy ho telo ny isan’izy ireo, tany amin’ny minitra faha-36. 3 no ho 0 ny isa nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanohitra ny ekipan’i To­liara, saingy tsy afa-nanoatra ma­noloana ny fanafihana sy ny fahaiza-manaon’ny mpifandrina. Niafara tamin’ny isa 4 no ho 0 ny lalaon’ny roa tonta.
Manana traikefa ry Pin sy Neymar ary i Laou, mpilalaon’ny ekipa voafantin’ Itasy. Toy izany koa ny fa­na­nana rindran-dalao tsara ho an-dry Perla sy Pogba ary i Ramos, mpilalao avy any Atsimo Andrefana? Voa teo amin’ny famonoam-baolina izy ireo.
Natao hitiliana ny mpilalao handrafitra ny Barea U20, hifanintsanana amin’ny Cosa­fa ity lalao ity. Araka ny vaovao voaray, hisy mpilalao avy any ivelany ny Barea U20. Hanampy azy ireo koa ny zatovo milalao amin’ny fifaninanana Orange Pro League.
Tsiahivina fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny ekipam-pirenena zandrikely.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: